Entrée | 1 Nofiko, hono! |
Mots élémentaires | 2 nofy, 3 hono |
Partie du discours | 4 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Vocabulaire | 5 Littérature: poèmes |
Auteur |
6 Ratsimiseta Jasmina |
Editions |
|
Texte complet |
8 " Fa tsy mbola nisy nitomany tany an-kibon'ny reniny, ary any ambanin'ny rangolahy tsy mba onenan'ny fisentoana " . 9 Ity toerana ity tany be ranomaso, 10 Tsy maintsy tomany ny miaina rehetra; 11 Mitondra mangidy sy anaovany ankaso, 12 Ampidirany sento sy asainy mitsetra. 13 Tontany izay faly sy mirana anio, 14 Ka manjombona tampoka sy mitakoko , 15 Didiany ny rivotra hody tadio, 16 Ary ovany ny tsiky ka tonga toloko. 17 Efa samy voatendry anefa ny anjara; 18 Tsy misy voatsitsy na zoky na zandry; 19 Na zovy mahery, dia vaky barara ; 20 Na zovy mijoro, dia alavony handry! 21 Ny ranon'ny maso dia toy ny mpanjono, 22 Mandroaka matavy, mamory mahia; 23 Tsy mifidy hasiana, mazàna mamono, 24 Ary tsy azo tohaina fa rano maria! 25 Na ho aiza na ho aiza no alehan'ny tena, 26 Tsikiloiny ihany, tsy maintsy tsenainy; 27 Na be fahantrana na manankarena, 28 Tsy misy amelany fa samy bedainy. 29 Tsy misy hialana na lahy na vavy, 30 Tsy maintsy manefa na be na ho kely; 31 Tsy mba azo sakanana, joko fiavy , 32 Manao an-tratreva, mamantam-pamely . 33 Tanora sy antitra samy vangiany, 34 Mandavan'ny andro, mandritra ny taona, 35 Ka tsy mba mahita an'izay hamaliany, 36 Fa asainy misento, tereny hisaona! 37 Kinanjo nanonofy aho alina iray 38 Fa toa misy toerana roa izay voavoatra, 39 Tsy ho azom-pitserana mandrakizay, 40 Dia ny kibon'Ineny sy Ifasana an-koatra. 41 Ka nofiko, hono, fa tany no nonina, 42 Tamim-piadanana tsisy fangaro; 43 Dia fahasambarana tsy azo tononina, 44 Soa sesehena sy zavatra maro. 45 Tsy nisy alahelo nanindry ny saina, 46 Na sento mba tonga hamely ny fo; 47 Tsy mba nisy mahory handreraka ny aina, 48 Tsy nisy nihatra na zava-manjo. 49 Misy zavatra iray tsy mbola voalazako, 50 Dia ny elanelan'ireo tany roa, 51 Izay niseho mazava, ka hita sy tazako, 52 Mbamin'ny taona sy fetrany koa: 53 Dia ny kibon'Ineny no hitako aloha, 54 Ka tany aho, hono, dia volana folo, 55 Natory sy miadana tsy misy mpamoha, 56 Nipetraka foana isan'andro tontolo. 57 Ny masoko, hono, dia mbola nikatona, 58 Sady ny vavako tsy mba niteny; 59 Kanefa ny ilaiko dia tamy nanatona, 60 Vokatra ho azy fa misy an'Ineny. 61 Ny tongotro, hono, tsy mbola namindra, 62 Ny tanako koa tsy mbola nandray; 63 Ary izao no dia tena tadidiko indrindra: 64 Tsy nisy alahelo tamin'izay! 65 Fa satria any, hono, tsy idiran-tomany 66 Ka tsy azo isentoana indray malaka akory; 67 Nandritra ny volana nisy ahy tany, 68 Tsy fantatro, hono, izay zava-mahory. 69 Dia tapitra, hono, ny anjara fotoako. 70 Nivoaka aho, hono, fa tonga ny fetra, 71 Ka ny alina sy andro no teo anoloako, 72 Nipaoka ahy tsy mba namela hitoetra. 73 Nindaosiny, hono, ny tenako re 74 Mba hamaky ny fiainana ambany masoandro, 75 Namindra tanatin'ny setroka be, 76 Ka namoa-dranomaso isan'andro isan'andro. 77 Mandritra ny taona izay nahavelomako, 78 Zavatra roa mba haiko natao: 79 Mitomany ny ho avy mbola any alohako 80 Sady manenina ny efa nandao! 81 Ny maraina aho, hono, dia be faniriana, 82 Ny antoandro aho, hono, dia maro tadiavina, 83 Nony hariva dia be fahoriana, 84 Mitady hifody amin'ny efa nodiavina. 85 Roso ny dia ka toa nofiko indray 86 Fa nandeha nahitsy, nijonjona ihany, 87 Namantana ho amin'ny lavaka iray, 88 'Zay nomanina ho ahy any ambanin'ny tany. 89 Voavakiko, hono, ny soratr'anarany: 90 Fasa-mangina, fonenana soa; 91 Tsy mba manana fetra na manana farany, 92 Mandrakizay tsy mba hiova tokoa " . 93 Any mitovy ny hendry sy adala, 94 Any tsy misy izay tiana sy hala; 95 Any tsy diavin'ny fiavonavonana, 96 Any tsy onenan'ny fialonalonana. 97 Any no toerana fara fodiana, 98 Any no marina samy itoviana; 99 Any tsy misy ho ambany sy ambony, 100 Any tsy misy tsy tiana intsony. 101 Any ny vola dia zava-tsy ilaina, 102 Tsy hisy mahantra mba re mitaraina; 103 Any no tany tsy idiran'ny ady, 104 Ny feo mifanditra dia zavatra fady. 105 Any tsy hisy mahory ny tena, 106 Any tsy misy mosara ho lena; 107 Any tsy misy izay kibo ho noana; 108 ioo Any tsy itoeram-pisentosentoana! 109 Voavakiko, hono, ny soratr'anarany: 110 Fasa-mangina, fonenana soa; 111 Tsy manana fetra, tsy manana farany; 112 Mandrakizay tsy hiova tokoa! |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |